Zovy... (alfantomas)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zovy...?
Zovy moa ianao fa segondra ihany
No dia ahalalanao sahady ny eritreritro?
Zovy loatra ianao fa tsy ilazako akory
Dia sahy mamboraka ny miafina ato am-poko?
Zovy...?
Lazao...
Zovy loatra moa ianao?

Iza...?
Iza loatra ianao fa minitra vitsy monja
Iza ianao no dia mahay mamaky ny vinavinako?
Iza loatra re ianao fa tsy izarako akory
Nefa dia mahay mitanisa ny tsiambarateloko?
Iza...?
Lazao...
Iza loatra re ianao?

Ve...?
Ianao no mpaminany?
Sa ianao no mpitanisa irony misy?
Sa kosa ilay mpamboraka ny miafina?
Ireo sa iray amin' ireo ve...?

Saingy...
Ny mahagaga kely ihany
Dia tsy henatrao akory ny mitanisa ny adalako
Tsy tahotrao velively ny milaza ny redirediko
Tsy amin' ahiahy akory no amborahanao ny tsy ambarateloko
Ary ny toetra ratsiko, tena sahinao aseho ...

Sao dia mba tsy rariny...
Fa ny ataonao koa va daholo mety?
Sa ianao no tena lavorary?
Asa, sao dia ianao kosa no anjely?
Fa toa tokana, irery, tokana ihany
Tsy manam-paharoa, tokana an-tany
tokana hoy aho.... r'ilay POETY
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1085 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : alfantomas
Nampiditra : betsileolahy
Daty : 08/04/2014 17:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142