Fermer Hasinavalona Ftsn (al'fy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fermer
Hasinavalona Ftsn
23 janvier 2018 ·
"MASINA NY TANINDRAZANA, FO AN'NY FIRENENA NY POETA, MPANORATRA, MPIHIRA... AO ANATINY"

"HATAKA"

Ireo fiforetan'aina
Am-po tsi-miloaka
Mahazo anay vahoaka
Hilaozan'ny maraina
Difin'ny vola-tsinana!
He! ny vavanay tsy mihinana
Raha tsy risoriso.
Na efaina rahampitso
Ny saram-panolorana!

Ry fanasina ô! avia!
Hamasino re ny fo
Mba hino sy hanka-to
'Lay Ray be fitia
Nasolonay ireo sampy
Nitadiavanay izay ampy
Filan'ny nofonay ketraka
Hianjadin'ny hetraketraka
Maika koa nofantorana!

Fanasina ô! hitodio
Ny hatakay valio
He aza ny asan'ny poeta
Ny mpihira sy mpikalo
Niova ho hararetra,
Handosiran'ny mpandalo!
Mila anao ny fo...

"AL'FY"
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
435 0
Hevitra mandeha
raims randriamalala ( 21/08/2019 12:41)
nofatorana fa tsy nofantorana o!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146