FY MIHAR ITRA KIADY Fy (al'fy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FY MIHAR

ITRA KIADY

Fy miharitra kiady
Io no anarana ao an-tsaiko
na tsy fantatro sokajy
Ianao ry sombin'aiko
Mbola tsy nahita tany
mbola tsy nahita ady
Mbola tsy nahita mamy
Fy miharitra kiady
Anarana ho saloranao...

Sahady ambarako eto
Na tsy azonao vinany
Izay antony hanekeko
hoe anaranao izany!
Fy miharitra kiady
Kiady maharitra hialofako
"Fy" izay miraiki-boady
An-taona maro norakofako
Mbola hatram'izao....

Fy miharitra kiady
Tsy fantatrao fa misy
Fisaringita-tady
Mamatotra ahy mihintsy
amin'io anaran'io!
Aza lazaina amin'i neny,
Fa tsy dia madio
'Ianao mbola hiteny,
Dia hifampitafa isika...

Ny momba izany indrindra
Dia izao no hafarako
Matoa aho nandrindra
Ny anaranao tsy anarako
Dia izao ry "Fy miharitra"
Ny ady nifanesy
Ny tsy fahitam-pinaritra
Ka indro aho resy
...ianao no ho tafita!

Fy Miharitra Kiady
Ataovy kolotsainao ny rock

AL'FY
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
435 0
Hevitra mandeha
raims randriamalala ( 21/08/2019 12:39)
sombiniaiko fa tsy sombin'aiko o!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106