"Tadidiny ihany..." Nata (al'fy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Tadidiny ihany..."

Nataoko ho sangy ny fihaonana taminy,
Modiko nafenina ny areti-poko...
Tsy hanaitra ahy 'zay fitomaniny
Na efa migadona ampara-toloko...
Modiko tsy ho tsapa....

Niezahany hondanana ny vata-tratrako,
Kanjo reny tao ny doboky ny foko,
Nitsiky kely kala, nitsapa ny ratrako
Toa sendra vato, fa nitady toko...
Tratra teo ny laingako....

Notanisainy teo 'reo daty efa lasa...
Lazaiko fa tsy fantany, tamin'izany...
Moa ve ny loto, tsy afaky ny sasa
No mbola tsaroany, tadidiny ihany....
'Reo singa-tantara?

"Al'fy"
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
340 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104