Tsy mety fantany ilay van (al'fy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy mety fantany ilay vanim-potoana,
Ny ora sy andro, ny volana koa,
Raha tsiarony mantsy dia tsiky foana,
Raha vinany mantsy dia tony ny fo.

Tsy mety fantany ilay zavatra vita,
Tanaty alin-kitroka tsisy hazavana,
Raha tadidiny mantsy fa toa paradisa...
Ilay rojon-kalo voahary hafanana

Tsy mety fantany anie fa tamin'iny,
Ny fony nidoboka, nanikam-pitepo.
Raha tsaroany mantsy dia ny ankehitriny,
Ny volam-baliaka, miventy alim-betso!

Tsy mety fantany, iniany tsy fantarina...
Atahorany angaha fa hanimba ny misy,
Raha hovoatraina dia fandrava ny marina,
Ka ny fon'olon-tiany hisioka hoe indrisy!

" AL'FY"
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
540 0
Hevitra mandeha
raims randriamalala ( 21/08/2019 12:45)
voahary fa tsy voaary
volam-baliaka fa tsy vola-baliaka
alim-betso fa tsy alim-bentso
fon'olon-tiany fa tsy fon'olontiany
ikalamako ( 21/08/2019 17:57)
nahitsiko ihany izy ireo ry Raims satria manelingelina ahy rehefa mamaky azy aho :)
Saingy misy teny roa tsy azoko dia mikatso indray aho aloha : "nanikam-pitepo" sy "hovoatraina". Indraindray azoko na misy diso fanoratra aza fa ireo toa tsy hitako hoe tokony ho inona ny tiany lazaina
al'fy ( 03/09/2019 06:29)
voalohany aloha samy hafa mihintsy ny hoe "vola-baliaka" sy ny hoe volam-baliaka, ny olon-tiana sy ny olotiana(ray aman-dreny sy raiamandreny),
"nanikam-pitepo" indray fiteny avy aty aminay ary efa mazatra, ny hovoatraina koa toy izany.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106