EFA TSY HAY INTSONY (Ali BE)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa tsy hay intsony !
Efa tsy hay intsony ity lala homba
Mivezivezy ny saina , marary ny fanàhy
Ny vatana tsy afaka intsony , ny eritreritra tsy voatà
Ireo nianteherana sy nantenaina efa tsy miraharà

Tsy izany ve ny zava-misy ankehitriny ?
Tsy izany ve no hiainantsika amin’izao ?
Dia iza ary no azo omena tsiny ?
Sa dia avelatsika ho amin’izao ?

Ny lehibe natao ho an-tenaina
Dia lasa tia kely
Ny ankizy natao ho andrandraina
Nanjary tsy maodely

Izay ilay very fanahy mbola velona
Sokina nani-bato
Toy ny manandrana zava-mahadomelona
Ka toy ny trondro tratry ny harato

Tena marina
Efa tsy hay intsony
Satria tsy tafarina
Avelao !, ajanony !

Tsy angady , tsy harona
Tsy fatana , tsy tsy arina
Tsy fandriana, tsy farafara
Lasa saina aho raha mandinika ny tantara

Tantara ?
Tantara mora tantaraina
Tantara mora adino
Tantara efa nolovaina
Fa rehefa lazaina dia toa tsy hampino

Izany ny fiainanay , asa ny anao
Fiainana tandra-vadik’oditra
Mampanao ny tsy fanao
Fiainana sarotra , mampihorok’oditra

Fiainana tsy toy ny an’ny hafa
Fiainana sadasada manan-tsoratra
Nametraka tantara tsy ho voafafa
Tsy azo atao ohatra , na dia efa lasa

Efa tsy hay intsony
Ny mena lasa mavo
Ny fotsy lasa mainty
Ny lavitra toa akaiky
Tena mampihaiky

Mahalatsa-dranomaso raha atao ao am-po
Mahafotsy loha raha atao any an-doha
Manalasala toy ny vozon’akoho
Tsisy azo atao fa efa voa

Ereto eo
Izay no faran-teny
Teny ré ombieniombieny
Tsy ankizy , tsy lehibe
Teny faheno eny an-dalambe

Tsy manamaiva ny vesatra anefa
Fa mampangotsoka ny fery
Izay efa navesatra
Ka mampihena hatrany ny hery

Tsy hay intsony
Tsy hay intsony
Marary izy ireo
Satria voadona ny fony
Ka mila anao mpamaky mba ho tony
Ary hanome ny zony
Ary ampio izy mba hangataka amin’Ilay ao ambony
Mba hanampy azy raha toa ka SITRAPONY !

Ali BE
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1264 0
Hevitra mandeha
andry 1000 ( 25/04/2015 05:24)
lava loatra fa tsara 'lay aingampanahy, tokony natao tononkalo anankiroa, tohizo de aza atao lava loatra...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ali BE
Nampiditra : Ali BE
Daty : 31/12/2014 07:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132