Ity Ianao! (Ali BE)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ty ianao !! (Madagasikarako)
Ty ianao , migogogo mitomany hono !
Raha mba fantatarao ny anton’izao
De naleonao tsy nierika intsony
Ary nofafanao ito ranomaso

Nipetraka fa ketraka
Niondrika nitolefika
Lany aiky, lany jijy
Efa saika natao avokoa ireo tetika
Ary efa nanatonana panandro sy pisikidy
Dia izay no niafarany
Nadio ny rano nitsakany ,
Maina ny tany
E ! aiza re zany é !
De izao no niafaranao
Haolo, maina ; ngazana !
Nogiazana,
nosaziana hono,de lasa nahantra
tsy tanteraka avokoa izay nikinasa
fa voasasa,
tsy lasa ,
asa ?
Izany ve no nifarahana , nahodina ity ianao
Nitadiavany ny tombotsoa, samirery
Dia io ianao fa very ,
tsy mety sitrana ny fery ?
Tsy afaka nikofoka hono fa tery ,
Asa raha hadino avokoa izay nolazaina sa !?
Izany ve no nifanarahana sa !?
Azavao, tantarao,
ambarao ny nahatona anao
nanao an’izao, sitrapo sa an’tery ?
Fidinao ve no hanary azy iray sambo
Sa vokatrin’ny atambo ?
E ! malahelo izy
Mitomany, latsa-dranomaso, ketrakin’ny alahelo
Misendaotra …..
Mafy loatra ny nanjo azy
Nanavy , niketrona, niesona
Tsy fantany intsony hono
Voahitsakitsaka sy matin’ny vono
Ka na ny hiteny azo matahotra
Miahotra,
Tsy fidiny é ! avelao re raha izany ihany é !!
Avelao izy isafidy ny ho mety aminy
Fa mila azy ny taniny, ilay maminy.

Ali BE
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1028 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ali BE
Nampiditra : Ali BE
Daty : 31/12/2014 06:48
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101