TENA MARINA ! (Ali BE)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tena marina ;

Tena marina ny voalazanao !
Fa izao tontolo izao
No natao dia tao anatin’ny Fahamarinao
Tsy nisy nitongilana
Tena marina fa IANAO tokoa ilay tokana
Ilay tsy mana_paharoa

Tena marina fa tsy nisy raha tsy nisy ny nampisy
Nefa indrisy,
Fa tsy tsapany nampisiny ny herin’ilay nampisy
F’angah tsy izany , raha tsy misy anefa
Vao mahatsapa fa IZY Ilay mahefa

Tena marina tokoa fa IANAO ilay Mpadidy
Mpibaiko, Mpisafidy ;
Mpanantanteraka izay sitrany
, ary ny zavatra rehetra dia tadidio fa hitany

Tena marina fa mahery ianao ry Tompo !
Raha ny fahefanao dia tsy voavisavisan'ny voaary
Tsy voadiniky ny saina voafetra sy marary
Tsy takatrin’ny tontolo voarefy
Fa IANAO Ilay tsy mana-petra Ilay Nahary
Ilay Andriamanitra Andriananahary !

Tena marina tompo ô !
Fa tsy fantatray izay ataonay,
Tsy takatray izao rehetra izao,
Mamelà ny helokay
Fa miaiky izahay fa tsy toha IANAO !

O ! ry tomponay ô ! aza avela amin’izao izahay
Na dia maditra , mafy loha
Kamo, variana, adala, voavoa…
Tsy mahalala, ratsy toetra ;
Kanefa be ny fanantenanay amin’ny Famindram-ponao
Ka eto izahay dia mitalao fa tsy najainay izay zavatra noraranao

Tena marina Tompo ô! fa tsy misy hianteheranay afatsy aminao
Na ny tany na ny lanitra,
ny biby sy ny zava_maniry,
ny rivotra sy ny afo
Ny rano , ny tselatra ary ny varatra
Dia mila izany avokoa tsy ankanavaka

Ary mino aho fa IANAO Ilay tsy toha
Ilay avolenta tokoa
Ilay tokana
Ilay tsy nateraka sy tsy niteraka,
Ilay tsy misy mitovy aminy

Andriamanitra ô ! inoako fa tsy mahalaza akory ny lazanao aho
Nefa na dia izany aza dia tsy reraka
Mangataka ny famelankelokao
Izay voalaza rehetra teo izay
Dia vokatry ny vetsovetson’ny foko,
ka mamela ahy

Satria raha ny momba ANAO dia tsy hisy ahalaza izany
Na ny ety an-tany na any an-danitra any dia tsisy ahavoatanisa azy !
Faranako ny teniko sao dia hiteniteny foana eto !
Satria efa reraky ny tebiteby sy ny sentotsento
Ketraky ny alahelo ;
Manenina, mivalo ;

Fa miandrandra famindra-po, fa reraka
Ity manomponao fadiranovana sy ketraka
Izay tsy mba nahavita nanao n’inoninona
afatsy ny rendrarendra sy ny ditra
Ka fanenenana no sisa
Ary hiezaka hanova ireo vita
Fa efa leo
Vonjeo ! vonjeo !!!

Ali BE
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1724 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ali BE
Nampiditra : Ali BE
Daty : 31/12/2014 06:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138