Toi et moi (All (Alina))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
1_Tsy fihetsika kinanga
No entiko hisamborana
Ny fo-tsika hiray
Fa na hisy loza hitranga
Na hisy fifandonana
Isika efa iray
Ka hifandray tanana
Hanalavitra ny ankaso sy ny fisarahana
...
...
2_Na lazaina fa tsy mety
Fa samy hafa fihaviana
Ka tokony hisaraka
Nefa vao maika hifety
Fa àry fiadiana
Ka tsy maintsy miaraka
Handrava 'reo mpanenjika
Ho lavo sy ho rendrika
...
...
3_Ho lavitry ny tebiteby
Ny fitiavantsika
Satria efa lalimpaka
Ka n'iza n'iza hibedy
Na iza koa hasiaka
Zah vonona hizaka
Satria zah efa babo
Ka hiady mba tsy ho lavo
...
...
4_Tsy misy mampanahy
Ny am'zay tsy tia
Na hikasa zava-dratsy
Fa ndry efa an'ahy
Tsy hikambanako am'ry...
Fa ahy mandramaty
Ho vero sy ho hanitra
Eto antany hatrany andanitra
...
...
5_Satria maniry andrii
Ho vady andefimandry
Hanjaka ato ampoko
Ka na mafy aza ny tia
Zah vonona ny hiandry
Satria ianao tsy foiko
Ka ho to fa tsy angano
Satria ny RAY no mitso-drano
By
#Alina
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1224 1
Hevitra mandeha
raims randriamalala ( 07/06/2018 13:30)
miarahaba an'i all(alina), tononkalo ve ity sa tononkira azafady?
raha tononkalo io dia fantaro aloha hoe inona no atao hoe tononkalo? fantatro fa tia manoratra ianao ary tsy tena aingam-panahy loatra io fa ainga avy ao an-tsaina fotsiny ihany
raims randriamalala ( 07/06/2018 14:07)
raha tononkalo koa no atao dia fadio ny mametraka ny lohateny amin'ny vahiny kanefa ny tonony amin'ny teny malagasy misaotra tompoko o, mba ho fanampiana anao ny kiana fa tsy hoe te hanakiana be fahantany akory dia tandremo ny tsipelin-teny a, mazoto manavao hatrany ny asa soratra e
All (Alina) ( 07/06/2018 15:18)
Misaotra amin'ny torohevitra fa ny tena namana tokoa tsy misorona
raims randriamalala ( 07/06/2018 16:45)
Mafinaritra namana, mba efa toa anareo koa ny tena e, hirariana ho loharanon'ny kanto ianao e, toro-hevitra ihany io fa ny tena tsara dia miditra fikambanana dia ho hitanao fa hiova ianao, ao mantsy mba misy manoro ary misy manitsy, izany aingam-panahy izany mantsy tsy azo tsinontsiniavina e, dia fanabeazana no hita amin'izany ary hafatra no ampitaina ho an'ny mpamaky, dia noho mila tandremana ny tsipelin-teny, tsara fa tohizo ny asa soratra e!!!! dia aza taitaitra fotsiny anefa a!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : All (Alina)
Nampiditra : All (Alina)
Daty : 07/06/2018 08:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094