FITIA TSY LEVONA - Alyrah
Azo vakiana?
FITIA TSY LEVONA
Mbola raikitra ato anatiko,
‘lay endrikao mibanjina ahy,
alahelo anao tsy tantiko
no nanainga indray ireo tsiahy.
Izato angolangolanao,
tambitamby feno tsiky,
izato fihetsiketsikao,
sy ilay nampiray antsika.
Na nisampana ny dia,
reko foana toa tsy levona
sombintsombin’ny fitia,
lazaiko anao fa mbola velona.
Fakan-kazo iray nilentika,
angadina toa tsy tazana
nanambara indray ny fihetsiko,
lasa ilay mba niantsampazako.
Ilay sarin’ny fiarahana,
tsy mpandalo fa tamana,
tiko indray hotanterahina
nofinofy nanafana.
Diam-penin-dranomainty
no avelako hitanisa,
miverena re ry aiko
mba hevero ny efa vita
ALYRAH (08/06/15)
Mombamomba
Mpanoratra : Alyrah
Nampiditra : AlyrahDaty : 08/06/2015
Mpamangy : 1910
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
SETRIN'ILAY FITIAVAKOTSELATRA
TAMIN’NY ROA ORA TSY DISO
SILAKIN'NY AIKO
FITIAVANA IZANY
MALAGASY ...
ILAY NIFANDAOZANAY ...
TANDINDONA TSY NIALA
TSY SAHY