MALAGASY ... (Alyrah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MALAGASY...

Malagasy ‘zahay mandroso,
ho tafavoaka ka miandrasa,
eritreritra mikasa
ve lazaina hikoroso?
fitondrana ‘nie mikatsaka
ny hasoa an’ireo mponiny,
niala-nenina tsy sasatra
mba hiverenana amin’ny laoniny

Malagasy ‘nie tsy tara e!
fahafahana tsy tery,
fanahy sy saina vory nofo
no mba niezaka sy niafy,
ra-fanjakana tsara tantana
voakaly soa,sy rindra,
filaminana niatrana
fahantrana efa nifindra...

Malagasy ‘ nay tsy resy
tsy mba hiataka fa roso,
fahombiazana anetsy
tsy hiandry ny atsy ho atsy,
fa raha ezaka efa nisy
tena maro efa natomboka,
ka tsy hametaka afisy
fahantrana efa voafongotra!
........
ALYRAH (09/06/15)
--------
Rohy:
980 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106