SETRIN'ILAY FITIAVAKO - Alyrah
Nantsain'i
ikalamako
ikalamako
Setrin'ilay fitiavako
Raha ny fanginako no ilaina
iezaka aho mba tsy hiteny,
fa hokoboniko ao anaty
ireo sisa alahelo,
hany mba anjara ho ahy
raha toa ka 'zay ny telinao?
hampandry ny fanahy!
hanoa ny sitrakao ...
Raha ny feoko no olana
dia akatoko tsy hisokatra
ireo molotro ankiroa...
efa tsinana ny volana
ho maizin-kitroka ny alina,
hilavo lefona aho nitolona,
rera-nihodina aho ka fanina,
resy ka nianjera...
Raha mankaleo anao ny ranomasoko
dia hobedesiko ny foko,
tsy ahatsiaro ireo fahiny
fa hadisoany ny azy ... izay niniany
loko mainty no ifaliany?
sa fahoriana no itsikiany?
Sokajy :
Fitiavana
Hevitra mandeha
sitraka Feno Tanteraka (19/06/2015 19:18:52)
Mombamomba
Mpanoratra : Alyrah
Nampiditra : AlyrahDaty : 17/06/2015
Mpamangy : 1053
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
TSELATRATAMIN’NY ROA ORA TSY DISO
SILAKIN'NY AIKO
FITIAVANA IZANY
MALAGASY ...
ILAY NIFANDAOZANAY ...
FITIA TSY LEVONA
TANDINDONA TSY NIALA
TSY SAHY