SETRIN'ILAY FITIAVAKO (Alyrah)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Setrin'ilay fitiavako

Raha ny fanginako no ilaina
iezaka aho mba tsy hiteny,
fa hokoboniko ao anaty
ireo sisa alahelo,
hany mba anjara ho ahy
raha toa ka 'zay ny telinao?
hampandry ny fanahy!
hanoa ny sitrakao ...

Raha ny feoko no olana
dia akatoko tsy hisokatra
ireo molotro ankiroa...
efa tsinana ny volana
ho maizin-kitroka ny alina,
hilavo lefona aho nitolona,
rera-nihodina aho ka fanina,
resy ka nianjera...

Raha mankaleo anao ny ranomasoko
dia hobedesiko ny foko,
tsy ahatsiaro ireo fahiny
fa hadisoany ny azy ... izay niniany
loko mainty no ifaliany?
sa fahoriana no itsikiany?
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1179 1
Hevitra mandeha
sitraka Feno Tanteraka ( 19/06/2015 19:18)
hm....
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Alyrah
Nampiditra : Alyrah
Daty : 17/06/2015 17:29
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097