TAMIN’NY ROA ORA TSY DISO - Alyrah
Azo vakiana?
TAMIN’NY ROA ORA TSY DISO
Tamin’ny roa ora tsy diso:
nambaranao ilay fandravana,
fahadisoako tsy niniako
nandaozanao indray ny akany,
O! raraka an-tany
ny fifonako amin’ny teny,
tsy nasinao fandrenesana,
sy mba sofina nihaino
ireo hetahetako.
Tamin’ny roa ora tsy diso:
safidinao ny anapahana,
ilay sarobidin-tsika,
sy izay rehetra nokatsahina,
sentosentoko tavela
fa ny fiainako nivily,
ho aiza?asa lahy!
ataoko hoe: toy ny tanin-gazana?
ny fitsikin’ity foko zary nogiazana.
Tamin’ny roa ora tsy diso:
nahatsapako izany fiainana,
tsy lanitra fahafito
fa ngidin’izay niainana,
hatramin’ny foko tsy nanendry
tsy nitsahatra nanondro,
alahelo tafatoetra
tato am-poko toa nihombo…
Vao tamin’ny iray sy sasany
dia efa tapitra nasesiny,
eso, latsa, fandrabiana
misarisary fandravana,
fitiavanay voahitsakitsaka
notrerominy nifitsaka
nifezaka aoka izany,
raha nilaza izany zony.
Tamin’ny roa ny fara-fetra
f’efa herany ny fatram-
pandeferako nitolona,
ilay tangena izay natelina,
nanapoizina ny foko,
nahafarina ny feoko,
nanimba an’ity vatako
nahatsiaro an’ireo vitako…
Alyrah
Mombamomba
Mpanoratra : Alyrah
Nampiditra : AlyrahDaty : 12/06/2015
Mpamangy : 954
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
SETRIN'ILAY FITIAVAKOTSELATRA
SILAKIN'NY AIKO
FITIAVANA IZANY
MALAGASY ...
ILAY NIFANDAOZANAY ...
FITIA TSY LEVONA
TANDINDONA TSY NIALA
TSY SAHY