TSY SAHY (Alyrah)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY SAHY

Indrisy, fa toa tsy hay
tsy ho vita,
miahotra tsy sahy
ny hilaza hiara-hiampita.

Ny anio, ny ho avy mbola nofy
ilay kasaina ho fasambarana
madera ery raha loko
nefa sarotra fantarina.

Mba tia hihanoka, higoka,
ny hamamin’ny fitia
efa mamo raha ny foko
tena adala rehefa tia.

Nokobonina ato am-po,
fa ny vava toa tsy nety
tena henatra tokoa
tsy sahy hianika ny fefy.

Eh! Indrisy koa ti izaho
ataoko ngamba hoe:
tsy hahatoky tena ve?
embon’azy lava izao.

Raha ny fiainako,
no ho topazana fijery
ny tamberina ny lasako
dia mazava fa tsy mihery.

Miandry indray ny hampiposaka,
manantena ny hazavana,
tany lonaka tsy fotaka,
masoandro iray mba hanafana.

ALYRAH
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1331 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Alyrah
Nampiditra : Alyrah
Daty : 07/06/2015 17:22
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105