Taratasy ho an-dRafahatsiarovana (Amby Ventso)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any ianao rafahatsiarovana
Sy ireo lasa nahatorovana
Taratasy ho anao,

Miarahaba, miala tsiny
Ry mpitahiry ny fahiny
Indramiko ilay fomba
Ilay tsy antsoina nefa tonga
Mba mila fanazavana
Ary ataovy mangarahara
Fa mba tiako hofantarina
Hoe ahoana marina
No tsy mba asianao fitserana
Rehefa iny ianao miserana
Anaty alina mangina
Mivimbim-pahoriana
Tsy ady tsy fifamaliana
Nefa toa misy fifampiandaniana
Fa ny lasa foana no asesikao
Na dia totofako vaovao
Dia fongarinao hiharihary
Rehefa iny aho mba faly
Tsy hainao angaha hoe marary
Fa dia ataonao ihany
Na ny mifanohitra amin'izany
Rehefa iny mila matotra
Dia vangianao tampotampoka
Amin'ny sangisangy vazivazy
Ka toa mihomehy ho azy!

Any ianao rafahatsiarovana
Sy ireo lasa nahatorovana
Hoy ilay voafatotrao.
--------
Rohy:
632 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Amby Ventso
Nampiditra : Niainahasina
Daty : 27/08/2020 14:05
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108