Ho ravoravo (AMN (Arialy))

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ny olona no hiseho ahalala ny ao an-doha
hiantsoako vonjeo ka lazaiko hoe misy voa
raha izy no hilaza izay tsy misy, hampiady
dia hampaginiko ilay vava ary ampiako teny fady

raha efa lehibe nefa tsy mba manana safidy
dia aleoko mody folaka toy izay miridiridy
ka avy eo asiako ilay joko mitsoriaka
dia tsy ho rarahiako na hoe hisy rĂ  mandriaka

aza izaho no adalaina fa hiakatra ny soratra
fa hotsipahako mangina, ho rahonako, hivoraka
ka ho tantara tsy hitohy, fa tsy sahy izay hiteny
ny ahiako hitomany sy hiantsoantso neny

efa vonona aho hoy aho fa hitaty izay hilatsaka
tsy hangina sy hitoetra fa handrovitra, hanataka
matahora izay hoe ratsy fa ho gidraiko ka ho lavo
ka iny ianao manjoretra, izaho indray no ravoravo.

AMN (Arialy)
--------
Rohy:
Sokajy : vazivazy - tantara
1299 1
Mpakafy: Nenipiso
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 11/06/2014 11:36
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142