Honohono (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
raha ny resaka mandeha dia izy no hoe fatratra
nefa tsy mba misy marina, ary izany efa fantatra
fa lazainy fa mitombina irony resaka tsy zary
dia izy no henoina, fa mahay sy be kabary

raha ny hono izay lazainy, tiany henoina ka ekena
raha ny tena tiany manko dia hoe toho an-kafetsena
ilay olona izay fohy no lazaina fa tsindakana
ilay zaza mbola kely no ataony hoe miala- sakana

ilay bandy omaly hono dia lazainy fa maditra
dia hoe tsy mba matotra fa mandripaka ny sipa
dia lazainy koa léry fa tena raitra sy bikana
nefa olona tsy misy endrika, eny ratsy nigagana

dia hoe be baoritra léry fa mahay tenim-paritra
nefa izy tsy mahay raha omena asa marika
i léry izay mainty aza dia ataony hoe zarazara
sady olona mpilaiso dia ankalazainy fa hoe tsara

bandy belazao éry no ataony hoe tena raitra
hany taho dombo be no noheveriny ho fanjaitra
efa be hono loatra ka nivadika ny vavany
ka hany tenin'ny vahiny no ataony tenin-drazany.

AMN (Arialy)
--------
Rohy:
Sokajy : vazivazy
1624 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 30/03/2013 05:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146