Ilay nandrasako (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
faly aho ka ho zaraiko
fa someby ery ny saiko
mihomehy sy milalao
fa nahoana hoy ianao ?

fanadinana no afaka ?
no dia toy ny tena lafatra
ny hafaliana ao anaty
sa nitsangana ny maty ?

Raha ny maty no hiseho
tsy ho loza hoy ianareo?
mipody, eny, ny olon-tiana
nefa aleoko ilay mangina.

tsy ho zaka ny hafaliana
ho afaka ny fihafiana
f'efa tena faly loatra
fa nimpody ny any an-koatra

tsy izany no mahafaly
fa fanomezan-janahary
tonga anio lay sombinaiko
ilay tiko sy lalaiko.

tonga soa ny zanakeliko
dia lazaiko oe anjeliko
vavy kely mantsy izy
hanampy isa indray ny ankizy

faly aho nefa isainako
fa tsy hisy hitarainako
ho zakaiko ny adidy
satria ny zaza lafo vidy.

Adidy maro no miandry
ho torovana ny sandry
hitrotro, hibaby, ahandro
na maraina na atoandro.

Mbola ezaka izany
ny adidy tsy eo iany
fa mandrapaha lehibeny
dia ho asa ombieniombieny ....


AMN (Arialy).
--------
Rohy:
Sokajy : Fifaliana
1165 0
Hevitra mandeha
nyratsima ( 12/03/2010 14:09)
misaotra e !tena mahafinaritra loatra !
arialy ( 12/03/2010 16:33)
nyratsima< mankasitraka é
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 09/03/2010 15:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103