Ilazao (AMN (Arialy))

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilazao vaovao , dia ataovy tsaratsara
Misy anombino kely, raha toa ratsy fara
Ilazao izay mety, efa lao ny hoe jaly
Mba asio teny soa, mba asio hoe mifaly

Ampitao aty amiko, izay hoe mahasoa
Aza atao lavitra ahy, mila akaikiko tokoa
Tsy ny alahelo akory no ibahana ato am-poko
Aoka izay ny asa loha, aoka izay ny toloko.

Raha misy teny indrana hanafoana ny tomany
Raha misy ny somonga, raha misy hanihany
Raha misy hoe fitia, analana ireo ratsy
Ento aty fa ho soratako, ka hidiako an-taratasy.
--------
Rohy:
981 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 25/03/2019 20:27
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149