Antsoy Jesoa (anarim)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANTSOY JESOA!

Raha sendra ny ady mafy, mandrotsaka tomany
Dia antsoy Jesoa fa Izy irery ihany
No afaka hamonjy sy hamafa ny toreo
Hoy ny tononkira vao novinenty teo...

Nahoana tokoa moa no tsy ho torak’hovitra
Zary valaketraka toa voan’ny bemangovitra
Raha tany an-tany lavitra no injao fa nahalala
Fa tsy salama ianao ry dadako malala

Dia niantso tokoa aho, nitolona am-bavaka
Nandohalika mihitsy tamim-pomba miavaka
Hoe Andriamanitra ô, henoy ity zanakao
Mitolona ady sarotra, tena mitalaho.


Dia namaly ny antso Ilay Jesoa be fitia
Ka indro efa miha-tsara sy mitsikitsiky ery
Ilay dada tena tiako, tokana sy solon-dreny
Ka fisaorana ny Tompo no asesiko ombieny…


Eny, isaorako ny Avo ary mbola apetrako Aminy
Ny momba anao ry dada, araka izay laminy…
Izy anie hamindra fo, sy hitahy anao hatrany
Ka ho lavitra tokoa, raha izay sento sy tomany!


Mino aho f’ianao ry dada efa miha-salama tsara
Mbola hiara-hiriaria amin’ny zanaka amam-para
Dia ho feno tsiky hatrany ny androm-piainanao sisa
Hiaina dieny ety sahady ny akon’ilay paradisa.

(Alahady 24 Janoary 2021 - FJKM Ambodifahitra Martiora - Alahady natokana ho fitrotroana am-bavaka sy fanohanana an'i Pasteur RANDRIAMANGA izay marihiko moa fa feno 60 taona ny naha Mpitandrina azy 1961/2021)
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
504 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : anarim
Nampiditra : ANARIM
Daty : 04/01/2022 14:57
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097