Misaotra anao ry Dada - anarim
Dada ô!
Noho ireo porofom-pitiavana,
Fandeferana, finiavana
Fikelezan'aina,
Tsy ho tambonay isaina
Natolotrao anay
Enina mianadahy...
Misaotra anao ry Dada !
Fa na làsana aza i Neny
Ka zary maizina ny tany
Tsy nataonao ireny
Handraraka ambany
Ny fitaizana anay
Tsy nisy nampanahy
Fa nitraka hatrany ianao
Nitsinjo anay ankizy
Ary hatramin'izao
Dia tsy mbola kivy...
Misaotra anao ry Dada !
Andriamanitra Tsitoha
Hitsinjo anao hatrany
Ka ho sambatra tokoa
Mandram-piala eto an-tany.
Sokajy :
Fianakaviana
Mombamomba
Mpanoratra : anarim
Nampiditra : ANARIMDaty : 30/05/2006
Mpamangy : 2189
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ho an'i nenyAntsoy Jesoa
Raha tsy ianao ry dada...
Vavaka ho an'i dada
Miranto Amintsoa
Eny...!
Eny r'ilay silako!
Tsiky ve dia ampy ?
Mirana !
Hangina aho !