ANTSOANTSON’NY MAHANTRA (Ancelio B R)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rahoviana vao hisinda izany haizina mikitroka;
Manaloka ny androm-piainako;
Velon’antso ny tarainako;
Ka zary mandefa eritreritre mibitsoka.

Miaritra ireny sedram-piainana mafy sady sarotra;
Zakaina isan’andro,
Na maraina na antoandro;
‘zay efa mila handrevo sy hanafotra.

Mahonena ny mahita ireo zanaka mipitrapitra,
Zay tsy ampy sakafo,
Ny lanitra no solon-tafo
Ka mizaka ny hatsiaka ny aina efa ambivitra.

Mandeha isan’andro mitady izay ho hanina.
Mitrongy vao mba homana,
Ny eritreritra tsy lonana,
Raha handao ireo silak’aina miantsoantso,mahafanina.

Moa izany ve ny hoe:olo niangaram-bintana,
Mitaraina lalandava,
Tsy mahita ny mazava;
Fa alina mikitroka tsy misy volana na kintana?

Eny e! ekena ihany raha izany tokoa no lahatra.
Zakaina izay mahazo,
Na dia ho fatin’ny lazo;
Ka mionona amin’ny ananana ho entina haka vahatra.
--------
Rohy:
1487 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ancelio B R
Nampiditra : AncelioBergesRAZAFY
Daty : 27/11/2016 08:06
Antsantononkalo
Nantsain'i
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148