BOSESEHO - ANDO ROCHELINAH
Azo vakiana?
BOSESEHO
Ry voro-mandalo iry
Lazao azy any
Ity foko tena tia
Sy loziran-tomany
Ry habakaba-manga
Mba ampitao azy izao:
Ny fiainako tena banga
Koa mba mitalaho
Iangavio mafy izy izay
Ry kintana amam-bolana
Fa ny alina no tena mamay
Ny embona maha torana
Ianao masoandro miposaka
Borahy aminy hatrany
Fa ny fijaliana no mitosaka
Ny tontolo andro diboka tomany
Boseseho ao an-dohany ao fa…
Ny vava no tsy milaoka
Ny fo anefa tsy afa-jaly
Ny ratram-pitia mampitraotra
Ka mba te hifaly
ANDO ROCHELINAH
(05 Sept 2006)
andorochelinah@yahoo.fr
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : ANDO ROCHELINAH
Nampiditra : RAILOVYDaty : 11/01/2007
Mpamangy : 1232
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
TSIAMBARATELONAO RY KANTOVOAGADRA ROJO VY
MITSIKIA
Manina havan-tiana
HANOMPO
ALEO MANGINA
Malagasy aho
Reviens
Tiako ny miaraka aminao
TSY ORY