TSIAMBARATELONAO RY KANTO - ANDO ROCHELINAH
Azo vakiana?
NY TSIAMBARATELONAO
RY KANTO…
Mahavàka tokoa!
Ny fahagagana vitanao
Talenta, tsy manam-paharoa
Fa mipololotra ao anaty ao
Voaborakao ny nofinofy;
Mamelona ny ati-fanahy,
Vitanao koa ny mandrotsirotsy
Raha ketraka ka manahy
Na antoandro be migaina,
Na alina mikitroka
Dia sokafanao ny saina;
Handefa indray ilay ritsoka
Hafa raha samy hafa
Rangotra mifono misitery;
Tsiaro tsy ho voafafa
Harena tsy mamela irery
Koa isaorana ny Mpahary
Fa fanomezana tapitr’ohatra;
Ary iriana hibosesika hatrany
Ny hakantonao ry soratra.
ANDO ROCHELINAH
15 des 2006
andorochelinah@yahoo.fr
Hevitra mandeha
pietro (04/07/2008 14:27:47)
mahaliana ahy ny hamaky ny tohiny...tonga de fantatrao za e!
Mombamomba
Mpanoratra : ANDO ROCHELINAH
Nampiditra : RAILOVYDaty : 11/01/2007
Mpamangy : 1201
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
VOAGADRA ROJO VYMITSIKIA
Manina havan-tiana
HANOMPO
BOSESEHO
ALEO MANGINA
Malagasy aho
Reviens
Tiako ny miaraka aminao
TSY ORY