TENY FARANY... (andriafa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa injay fa mipaika 'lay ora fodiana
hialàna amin'ny tany, handaozana tiana
Dia ny fiangaviako, hafàrako anao
ireo ranomaso aza avela hitraho

Ny lalan-kizorako tsy maintsy ho izany,
ka aza misento, aza tomany.
Fa any andro iray tsy maintsy hihaona.
Izaho na dia lasa, aza arahina saona

Ny akanjonao, ataovy marevaka,
Ny endrikao, aza avela ho reraka
Ny fanantenana no ataovy ambony.
Izaho anie tsy maty, fa lasa natory

Ireo hiram-pitia fikaloko anao,
raha miari-tory, dia ireny hatao.
Eo andoha-fandriako, asio vonikazo
ho taratr'ilay fitia tsy halazo

.....
Dia etsy ho afarako koa ianao,
'reo naorintsika, karakarao
'Reo faniriana nimatimatiko,
ho to aminao, f'izay no mba tiako

....
Dia 'zay re no hafatro fa ampy izay,
aleo aho hatory mandrakizay.
Afaka handeha aho fa mandry ny saiko
Veloma masina r'ilay sombin'aiko
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1253 1
Hevitra mandeha
kiriah ( 27/09/2010 18:40)
mampihoron-koditra saingy tsara ery ! misaotra fa raha sanatria tsy tonga any ny hafatra dia ho ampitaiko. lol !
Soarilala ( 28/09/2010 13:49)
Izany tokoa angamba ny faniriana raha ho avy ilay fotoana hifandaozana kanefa toa tsy ho mora ihany ny hanatanterak'izany, asa aloha!!!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriafa
Nampiditra : fanoandria
Daty : 27/09/2010 13:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098