Mampitsiky ny hafa... - ANDRIAMAMPIELY Hebiniaina Iriantsoa
Azo vakiana?
Tsy hoe androany ihany
F'@ androko rehetra
Dia satriko ho zaraina
Reo tsiky tena mamy
Sy tsy nasiako fetra
Ho andon-karakaina
Fa...tiako mba hitsiky
'Reo mongom-piforetana
Vesaran'adin-tsaina
Eny,satriko mihitsy
'Reo ana sy mangetana
Ho mirana fiaina
Dia...atolotro ny tsiky
Tsy misy fanavahana
Tsy asiana rasarasa
Fa...FIAINAKO mihitsy
Tsy foiko hisarahana
"NY MAMPITSIKY NY HAFA"
Hevitra mandeha
NyKanto (26/01/2005 11:51:06)
Mifindra hono ny tsiky...mampiavaka antsika mponin'i Madagasikara izy io.
Mombamomba
Mpanoratra : ANDRIAMAMPIELY Hebiniaina Iriantsoa
Nampiditra : ahiDaty : 26/01/2005
Mpamangy : 1827
Mankafy : 0