Fisentoana - Andriamihaja Johan (H-mainty)
Azo vakiana?
Fisentoana
Ry voninkazo soa, mandria tsimoramora
Ny Tomponao tsy toha, no niantso anao tanora
Veloma ka veloma, no ampetrako etoana
Ho fehezam-bonikazo, ho mari-pisentoana
Dia nilaozanao tokoa, ry malala izato tany
Ka izaho irery ‘ty, midradradradra mitomany
Fahoriana ve ry tany? Ho zakaiko raha didy
Fa tsy ny foko mantsy, no navela mba nifidy
Tsaroako ankehitriny fa very marina aho
Sampan-kazo manirery, fa nesorina aman-taho.
Ry Tompo ô midina, Hianao mba hijery
Ity foko izay mahantra, he singa manirery
Ka meteza Hianao hiaro, ny tena sy fanahy
Fa misy alahelo, ka be ny ahiahy.
A.L.J
Sokajy :
Alahelo
Hevitra mandeha
pouty5 (19/09/2005 13:55:51)
Mombamomba
Mpanoratra : Andriamihaja Johan (H-mainty)
Nampiditra : johanDaty : 19/09/2005
Mpamangy : 1884
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
Miandry foana ...'lay fitiavanao
Tu vas me demander....
Matokia
Tsingerin-taona
Omeo tsiky kely aho.....
Volana ô meteza!
Adinoy izy!
Parles-moi!
Nofy