'lay endrikao (Andriamihaja Johan (H-mainty))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
'lay endrikao

Anaty ny alina aho, no nahatsiaro anao
Tadidiko avokoa ireo fanao taloha
Sy ankehitriny koa

Mitsiky irery aho dia manakipy maso
Ka indro ny tsinjoko ao, ilay endrikao
Tsy mba mankalao!

Dia tohizako eo ‘lay sary
Tsy foiko ho tapahina, fa mitondra hevi-dalina
Tsy hain’olona takarina

Entiko hatory hiandry ny ampitso
Ataoko nofy mahaliana, ny alina mangiana
Fa endrik’olo-tiana


A.L.J.
18-04-05 16h36
--------
Rohy:
Sokajy : fitiavana
1493 3
Mpakafy: johan - pouty5 - rainf
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138