Tolokon'ny fo (Andriamihaja Johan (H-mainty))
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tolokon'ny foO ry foko mionona, aoka kely mahareta,
Aok’izay ny sentosento, ny alahelo sy ny tsetra
N’inon’inona efa vita, ka mamela hola-pery
Aza arahin’alahelo, atodiho ny fijery
Aok’izay ny ventsoventso, sy ny fanembonana azy
Atrakao ny lohanao, ka mibanjina ny ho avy.
Ka ny vavakao ry foko, no akaro lalandava
Fa ireo tsy tia sy mpankahala, toa mitetika ny handrava
Noho izany ô ry foko, mitanondrika ao anaty
Mijoroa, mionona, ‘zao no izy ka soraty
N’inon’inona atao, mitenena toy izao :
“O ry Ray mba tantano, ka ampio ty zanako”
A.L.J
--------
Rohy:
https://vetso.serasera.org/tonokalo/andriamihaja-johan-h-mainty/tolokonny-fo
Hevitra mandeha

minoucsh
(
19/09/2005 16:04)
Tsara kosa koh, mahafinaritra, tsy misy hafa tsy izy Ray no afaka hanome hery. Ary ela be indray ianao vao hita an.

hery
(
23/09/2005 09:58)
hmm. Lasa fiononana sisa ve ilay Ray?

johan
(
23/09/2005 15:33)
hery : tsy fiononana kah! fitarainana ngamba no azo ilazana azy kokoa
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Andriamihaja Johan (H-mainty)Nampiditra : johan
Daty : 19/09/2005 10:50