You are here: home > Vetso

Tsy anjara - Andriamihaja Johan (H-mainty)

Azo vakiana?

Moa mba fantatrao moa
Ny atao hoe mitia?
Tsy azo atao kitoatoa
Tsy kilalao io sanatria

Moa ianao efa nitia
Sy nandrotsa-dranomaso?
Raha tojo sarotra ny dia
Raha nosomparan’ny ankaso?
Tsia angamba hoy aho miteny
Tsy mbola tojo anao izany
Fa ‘reny mahazatra anao ireny
Mbola fitia hanihany!

Any andro any volana
Hatsiarovanao ny teniko
Hatsapanao ny lanjany
Hitenenanao hoe “Neniko”
Fa fitia mafonja
Tsy azo ampitahana
No navadikao ho fonja
Sy tomany fahatrana!

Rendrarendra ve ry kala
No atakalonao fitia
Ny hendry sy ny adala
Tsy afaka ny hiara-dia
Koa aleo hifarana eo
Ny fitiavatsika roa
Enao koa ngamba efa leo
Izaho ahazo areti-po!

                                A.L.J

13-04-05 17h46

Hevitra mandeha

fiaritiana (14/04/2005 14:28:33)

mampalatsa dranomaso ny tononkalonao sady tsara koa , fa tohizo hatrany

johan (15/04/2005 06:15:55)

Misaotra an'i Fiaritiana namaky!

Hametraka hevitra

Midira aloha