Volana ô meteza! (Andriamihaja Johan (H-mainty))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Volana ô meteza...

O ry volana eny ambony, zay tsy mba roa na mba telo
Ka mahita izany fony sy ny foko malaelo
Ambarao any ho any, na ho ela na hadiva
Fa ny masoko tomany na maraina na hariva

Ambarao raha hitanao izy, f’any ho any hono anie
Misy olona tomany, manan-tsento fa tsy ré,
Ka ianao irery ihany no ilay toka-nokajiany
Fa mirava-toetra soa, masina sy virijiny

Ambarao azy kely fa na ho tsiky na toloko
Tsy hanadino velively na ny saiko na ny foko
Fa izy ihany no safidy, iarahako eto antany
Ka izany dia ho didy, zay hifikirako hatrany

Ambarao azy anie, ô ry volana mazava
Fa ranomaso be dia be no mameno ‘zany tava
Fa manahy irony ankaso, ny fitiavany ahy ho lany
‘zaho ty lavitry ny maso, ka ho adinony eto ihany

Koa ambarao azy anie eh, azafady ianao meteza
Fa ny mampisaraka anay, tsy mba kely fa dia ngeza
Ka ianao irery ihany no hany itako fa afaka
Hampita aminy ny hafatro fa ny sisa ho solafaka

Indro hoe babo tsy milefa, zany foko tia azy
Te hanaraka kanefa sao ho ataony vazivazy!!!

A.L.J.
06-06
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2500 1
Mpakafy: fiaritiana
Hevitra mandeha
fiaritiana ( 13/06/2006 18:29)
Meteza ianao ry volana
Meteza ka meteza
Fa ny olako dé ngeza...

tsara be!!
Malalason ( 23/06/2006 04:01)
indrisy mantsy ry Volana...
ounjasou ( 29/06/2006 07:14)
fa ra ny kitana maro isa no hafarana ihany kou, tsy ho voarainy ve ? asa re !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146