Ny any aminay (Andriampanarivo J. D.)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Injany lamako sy hiran-kilonga
Manakoako arahin'amponga
No re any ho any,
Fa inona izany ?

Ankizy mivory. Jereo ny ataony :
Manao boribory, ka ny eo afovoany
Misikina lamba
Tsy mihambahamba.

Itehafan'ny zandry dia mihodina mora,
Manao tsipy sandry eo anivon'akora ;
Ny sorony roa
Mandihy avokoa ;

Mamindra mitsaikona toa ketraka ila,
Somary mikainkona fa jilajila,
Mihodina tampoka
Ary indro mitsatoka.
Mitehin-kiho, midola ny loha...
Mba dinidiniho, mbola tsara tokoa !


Fampitaha, laharana faha 24, 1965
--------
Rohy:
Sokajy : ankizy - dihy - Lalao
742 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Andriampanarivo J. D.
Nampiditra : jantina
Daty : 09/08/2019 15:36
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094