mainty (ANDRIANIAINA Fidelis)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
mainty

satria ve mainty ianao!
dia voarara isika
mba tsy hifankatia

ambara tsotra izao
fa mafy loha maditra
raha toa ka miara-dia

nefa anie rahavako
ny eo anilanao
no nosafidin'ny foko

ary 'lay fitiavako
niantefa taminao
tsy nifidy loko

hafahafa ihany
fa sahany raràna
ilay fitiavantsika

ny zavatra mba hany
tsy azony fafàna
dia ny hasambarantsika

renaldi
2004
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1327 2
Mpakafy: Renaldi - NoroFrance
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANDRIANIAINA Fidelis
Nampiditra : renaldi
Daty : 21/12/2009 07:59
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143