manantena inona? (ANDRIANIAINA Fidelis)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
manantena inona?

inona ary moa no mibaiko ny sera
ifandraisan'ny olona miriaria ety
tsy ny harena ve, ny hery sy ny hasina
mampiseho hatrany ny ambony sy ny ambany
oviana ny mahantra no inoan-teny
na eken-ko marina ny hevitr'izy ireny
ny marisa moa tsy maharaka ny namany
na mitarika aza sintonina ho farany
misy hoe tsaraina ho ambany ny sarangany
misy koa anefa tompoina mba ho sangany

renaldi
24/04/11
--------
Rohy:
Sokajy : fanavakavahana - Ady
1544 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANDRIANIAINA Fidelis
Nampiditra : renaldi
Daty : 05/07/2011 20:15
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094