Izao no hafany (andriary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
hoy Nykanto hoe: "Manjatiana"!dia izao ny hafatr'i manjatiana ho an'i Nykanto!

Hitako izy omaly
dia izao no nambarany
...raha nanohy ny tantarany
ny fony anie mijaly
nijaly niandry anao
isan'andro lava izao!


Dia izao koa no hafany,
na mandondona sy sahy
reo fakam-panahy
dia tsy mendrika itarafana
ny fitiavany efa lalina
tsy hain'iza angalarina

Dia nasainy nolazaina
na dia tsy hifanena intsony
tsy miova hoe ny fony
n'inon'inona kasaina
Manjatiana efa vita
na lavitra aza ny ny any am-pita

andriary
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
1302 4
Hevitra mandeha
mampikanto ( 15/11/2004 15:40)
Manahoana i Andry!
Dia lalina loatra izany aingam-panahy izany a!

Mampikanto
monina ( 16/11/2004 14:51)
aingam-pahany mifandrohy ny an'ireto!mangataka an'i Nykanto mba hamaly an'i manjatiana fa mbola misy tsirim-panantenana e!misaotra anareo e!
NyKanto ( 16/11/2004 19:42)
Setriny : "Mirendrika any..."

Miverimberina ao an-tsaina
Ny angamba... sy raha toa…
Ny lasa - tiako ho avy - sy taraina
Niova temitra, manenika ny loha

Ny hetahetako, hihaona aminao
Tsy ho faty, raha mbola velona aho.
Mahatondraka ary mahafefika ny fo
Ireo tomany, rehefa iny fa mifoha.

Mirendrika any, Manjatiana, ny fitia
Fa na any aho, na aty lavitra aty
Ho haintsika ve ny hampiposaka fitia?
Tsy any aho … fa aty lavitra aty

Iza no hantsoiko ho mpampionona ahy?
Ny fanadinoana tsy haharesy ny fanahy
Voasarika ho any, toy ny alon-drano
Tsy reraka mamafa , ilay tora-pasika tomany

Ny Kanto, novambra 2004
nanaina ( 19/11/2004 15:19)
raha izaho Nykanto miverina aty an-tanindrazana mihaona @ manjatiana!...efa hitako io sipa io t@ izy sy andriary niresaka!
andriary ( 19/11/2004 15:28)
Lava maso koa ry nanaina izany!eny e manjatiana aloha manja e!sady mbola ho avy nykanto haka azy fa izy hono tsy handeha
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriary
Nampiditra : andriary
Daty : 15/11/2004 13:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101