Taniko ...sy tomaniko (andriary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny tendrombohitra iny ngazana
hatrany am-para-tazana
ts'isy hazo mba maniry
ny kirihitra tsy hita firy
fa tany karakaina
Io mamelatra ny maina!


Ny riandranom-batolampy
miharitra sady tsy ampy
ny renirano aman'ony
toa tsy hikoriana intsony
fa vodivona dongo sisa
samy koka sy efa tritra

Itsy lohasaha indray
dia lasa tany hay
nodorana tsy aman-tahotra
tsy an'eritreritra nihaotra
tsy hamokatra intsony
tsy hisy felana hamony

Dia indreny ny tanety
afo foana no manety
mandavenona ny hakantony
ts'isy ahoana ts'isy antony
ndreo ny setroky ny taniko
manambara ny tomaniko

dia mba ho aiza reto biby
tsy afaka ny hisafidy
zay tany hiorenany
ndreo kila ny fonenany
sanatria ho lany ringana
tsy ahitana tamingana

Ny tokon'ala hany sisa
nahanjaina sy nanjifa
dia ny ala tatsinanana
tsy mba nisy fisakanana
naondrana an-tsokosoko
o!ny hatezerako te-hioko!

Ny tanimbary nototofana
hany sisa nilofosana
dia ny tany hambolena
Io lasa tany mena
hatsatoka aiza re ny angady
fa ny taniko io mangadihady

andriary
--------
Rohy:
1435 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriary
Nampiditra : andriary
Daty : 29/09/2004 13:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101