Tsy maninona (andriary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy maninona
raha ny faniriana iray tsy to
Tsy maninona
ny fikasana rehetra tsy tanteraka avokoa!
tsy maninona,
lay hazo namboleko ,tsy naniry tsy namoa,
tsy maninona
fa lalako voatokana ,voasoritra mialoha!

Tsy maninona,
ny alin-dohataona ,ts'isy volana mitranga
tsy maninona
ny diavolam-pararano, misy hafaliana banga
tsy maninona
ny andron'ny ririnina , haneso ny hirifiriko
tsy maninona
ny hafalian'ny tsy tia, hisompatra ny kiriko

Tsy maninona
ny lasako nangidy , nandrongo ny fatorako
tsy maninona
fa misy fandrika avokoa, ny lalana hizorako
tsy maninona
ny ho aviko , nandositra ny orako
tsy maninona
na dia rava ny tanjona ifotorako!

Tsy maninona
raha lasa , nandao ny olon-tiako
tsy maninona
raha diso , ny lala-nofidiko
tsy maninona
raha nisy ozona , tanaty alahelony!
tsy maninona
fa entiko , ny sheola sy ny helony!

andriary
(...)
--------
Rohy:
1323 4
Hevitra mandeha
NyKanto ( 16/02/2005 13:01)
Mampisento!
Ny Kanto
ralhix ( 16/02/2005 16:45)
Fa angaha tena tohina be mihintsye!
mampikanto ( 17/02/2005 07:26)
Fa dia nahoana re loatra no d mampisento toa izao ity asa soratra e!
Tsy maninona tokoa io ry Andry fa d mahereza fa raha mbola hisy koa ny farany tsy ho foana ny fanantenana e!

Kanto
SOBIKA ( 17/02/2005 16:46)
Andry!
ianao ilay Andry hianteherana
mitraka mijoroa mba tsy ho serana
satria tsy andry foana ny anaranao
raha tsy misy antony ao

zany hoe tsy maintsy zaka
n'inoninona mila mitraka
fa aorian'ny tomany
mbola hisy tsiki ihany

mahereza
so

bouzi ( 23/06/2005 15:32)
mila hipitika ny foko mamaky azy sengy ra mbola misy ko ny farany d izany no sento manala toloko...
bouzi
IDEALY ( 08/09/2005 03:42)
tena milay be eh
tohizo fa tsara
joliemimi ( 29/10/2007 11:48)
Andriary...
misaotra tamin'ny fanohanana, mirary soa amin'ny fanoratana...
mamy betsaka
Malalason ( 02/02/2008 13:47)
raha nambole-tsy naniry soloy fa maty mso .....
artinahani ( 06/05/2013 12:16)
Tsy maninona......satria ao ambadiky ny alina, mbola hisy maraina vaovao!ao ambadiky ny rahonan misy masoandro mibaliaka mbola hanafana indray izay ngolin'ny hatsika!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriary
Nampiditra : andriary
Daty : 16/02/2005 12:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011