RAVALOMANANA (Andriatsitohaina H. J L Detekitiva (detekitiva))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny dimy taona dia fiandohana
Ireo asa vita no hifampitsarana
Na ireo any an-tsaha na ety an-tànana
Tsapa sy hita ireo fiovana

Mamy loatra raha toa ho tohizana
Ireo asa vita tsara hikirizana
Satria mamintsika ity Tanindrazana
Miara-miasa fa tsy ho mpitazana

Raha tianao izany, izao no tadidio
Ravalomanana re no fidio
Tsapanao ny asa vita sy fivoarana
Tohizo ho tsara fa aza soparana

Izaho sy ianao handray adidy
Tsy ho voafitaka rehefa mifidy
Fa i Ravalomanana, na hoe Ravalo
Izy fidiana fa aza atakalo

Izy no miezaka nanala ny trosa
Nitambesatra ela, izay niavosa
Nahatsapa tokoa, ireo firenena
Tena niasa I Ravalo ka aoka hekena

Ny fampandrosoana tsy vitan-kabary
Tsy maintsy alamina atao lavorary
Na ny eto an-toerana na ny any ampita
Ampahany betsaka no efa vita

Tsy voarebireby ianao na variana
Fa Ravalomanana ihany fidina
Izy no TOKY sy ho FAMONJENA
Ho fanavotana ity Firenena

Fidio Ravalo fa tsy misy hanenenana
Fa vonona hatrany hanao fanarenana
Aza misalasala fa RAVALOMANANA
Hiaraka miasa , hitondra fiadanana
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
1849 2
Hevitra mandeha
bitaka ( 16/11/2006 06:14)
sô de fetsy! asa vita no hifampitsarana = AVI am'zay, AVI sa AVANANA? tsy aleo RAVALOMANANA
lebera ( 16/11/2006 08:40)
saotsa e! tsa fetsy izany izaho fa mba teha horanatra sy hao tonokalo ho azy fotsiny ihany ka
efa mba hitanareo ily resaka be any iny ve?
sarondrahona ( 29/11/2008 16:13)
izaho mieritreritra hoe ny safidy
tsy azo atakalo io, no tsy natao hamidy
tsy azo terena ary tsy azo vozonana
kanefa tsy helok'izay efa niomana

nefa ny tiako tsindriana dia izao
maro ny tolona efa natao
samy natavy ny teny nambarany
fa matsatso foana rehefa amin'ny farany
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Andriatsitohaina H. J L Detekitiva (detekitiva)
Nampiditra : lebera
Daty : 13/11/2006 14:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095