Mialona (Andrimaranitra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mialona iny masonao aho
Maso tsy mijery ahy akory fa mivily, fy ery ny fahavaloko
Baribary misarika azy, vatomamy boribory barika ho azy
Mandomando bilandilandina, maha-domadoma azy mandimandina

Mialona iny oronao aho
Orona bosesiky ny rivotra maro mamelona anao fa tsy mba izaho
Marotsadrotsaka malama tahon-draozim-pahavaloko
Mitsoratsoraka mazàna mandoto ny havokavokao tsy mba tontoloko

Mialona iny molotrao aho
Molotrao tsy manatomotra ny ahy
Irony fahavaloko no mbetika mampiravoravo fanahy
Mianoka sakafo misy tantely miharo fofon-draozy, adino aho ry lahy
Havendranako ihany tara tsy niloa-bava raha tsy be namana tsy sahy

Mialona iny tananao aho
Tananao tsy mitantana ahy tsy hikasika akory na taolam-baloko
Malefaka aok'izany itony hoditra safosafoin'ny fahavaloko
Manamiratra ny lalan-tseraninao mampitombo ny fosa tsy hovoavaloko

Mialona iny bikanao aho
Vatanao manonjanonja tsiriritin'ny fahavaloko mazàna
Ijanonany mihitsy hiteloman-drora hanofisana ho alina mafana
Nefa izaho atelin'ny onja mahantra fiainana tsy trano tsy tanàna
Aleoko angamba ianao ho lasany aloha avy eo izaho tsy hihanahana

Mialona itony fonao aho
Fo lanitra, fo fasan'ireo fahavaloko tsy voaisa
Faly ireo izay nisalanitra mbola namela sonia analin-kisa
Ianao milaza fa mbola foton'olona nefa tazanina efa sisa
Faritra aiza no ho anjarako mihodina ny lohako feno disadisa

Mialona itony fitafinao aho
Fitafy tsy mba izaho no voatafy
Ny fahavaloko indray no tsy mihafy
be ny efa nalavoko nefa koa maro no tonga ho rafy
Rovidrovitra ny hoditro tora-kovitra mafy
Hay ianao efa be mpiaro ka mazàna tia misolo fitafy

Mialona ny sakafonao aho
Sakafo mahavoky anao isan'andro
Amahanan'ny favaloko anao in-telo anaty iray andro
Ianao koa mamaly mamahana azy na alina na vao mihiratr'andro
Ka inona izany fa tsy hisy tsirony aho na hoavy aza fara-andro.
--------
Rohy:
Sokajy : Fahantrana - Ahiahy
1771 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101