Toy… - Andrimaranitra
Azo vakiana?
Toy…
Toy ny tsy fahafahako mankafy ny haren-java-boarin’ny tanindrazako
No tsy famelanao ahy hitia Anao rahavako
Miha ory ho azy eny ny foko, tsy maninona fa ekeko
F’efa nahay niray fahantrana aho tamin’ny fireneko.
Tsy manam-bola aho tsinona hitetezako ireo tanána malalako
Toy ny tsy fananako endrika mendrika Anao rahavako
Tsy maninona fa na ny masonao mamiratra fotsiny ihany aza no jereko
Dia ampy hilazako fa manan-karen-java-boary ny fireneko.
Toy ny tsy fahafahako mahalala ilay Andriamanitro
No tsy famelanao ahy hanatona Anao ry olon-tiako
Miha osa ho azy eny ny fanahiko, tsy maninona fa hihafiako
F’efa nahay nampisy hazavana aho isak’izay alina ny lanitro.
Nefa anie ilay Andriamanitro no Tompon’ny aiko
Toa Anao ry faniriako, Ianao no mpibaiko ny saiko
Tsy maninona fa na ny volonao mitopatopa manafosafo ny tavako
Dia ampy hilazako fa Ianao ilay Anjely mpanafosafo ny torimasoko rahavako.
Mombamomba
Mpanoratra : Andrimaranitra
Nampiditra : andrysecabiDaty : 28/10/2010
Mpamangy : 483
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ny orokao mamyVelona foana Izy
Tsy maty fa matory
Alok'ilay olona...
Alok’ilay olona
Toy ny...
Aleoko ho nofy
Haitso Haitso fofon'aiko
Haitso Haitso fofon'aiko
Mahery ny fitiavan'i Jesoa