ANATRA (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anatra!

Mahaiza misafidy:
"Ny mamy sa ny Mangidy?"
"Ny mahasoa sa ny mahafinaritra?"
"Ny mandalo sa ny maharitra?"

Diniho tsara izay hatao;
Mba tsy hisian'ny fanenenana.
Ahitsio mialoha ny ho avinao;
Satria ny lasa tsy hay iverenana.

Katsaho aloha zay hahasoa;
Ary aza revo amin'izay mora lo.
"Ny soa atao hivaly tsara;
Ary ny ratsy atao ho ratsy fiafara!"

Dia maherezà f'aza kivy;
Manatanteraka ireo adidy.
"mahaiza koa mamafy;
Mba tsy hijinja ny ratsy.

Miezaha hatrany,
Hikatsaka ny soa sy ny mamy.
Mahaizà koa mamindra:
Mba tsy ho solafaka ka handringa.

Matokia ary aza manahy
Fa IZY Tompo no mitahy.
Ary manaovà ny marina
Fa TSY MAITSY ho tafarina.

ANDRINIAINA1.
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana
2794 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0267