INDRAINDRAY, MAZANA, MISERANA, MATETIKA... (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indraindray, mazana, miserana, matetika...

Na indraindray na ho matetika:
No tsy hahamasaka ny ketrika.
Tsy mampaninona koa izany;
Fa izay le fiainana eto an-tany.

Ilaina ny miezaka foana:
Na oviana koa fotoana.
N'inoninona manoloana:
ANDRIAMANITRA eo foana.

Na ho mazana na hiserana:
No hampety na haható izay nitserana.
Tsy mampaninona koa izany;
Fa ny fiainana mitohy hatrany.

Ilaina ny mivoatra hatrany:
Na ho mangidy na ho mamy.
Na hanao ahoana ny hiafarany;
ANDRIAMANITRA eo ihany.

Na ho izany foana na tsy ho izany:
No tsy maitsy hiainana eto an-tany.
Tsy mampaninona koa izany;
Fa tsy maitsy vita ihany.

Ilaina ny mijoro sy ho sahy:
Na de ho be aza ny ahiahy.
Matoky sy mino foana ny fanahy;
ANDRIAMANITRA mitahy.

Aza mba malain-kino,
Na moramora manadino.
Aza zatra misalasala,
Mazotozoto miala.
Fa iza moa no tsy mahalala??
Fa ANDRIAMANITRA dia "tsara."
Aza mafy loha minia,
Manaiky ny ho sia:
Miseo matoky tena mandeha irery;
Ka te ho verivery.
Fa iza mihitsy moa no tsy hiteny:
Fa ANDRIAMANITRA "mahery".

Tiavà ny TOMPO ANDRIAMANITRAO amin'ny fonao, ny sainao, fanahinao, herinao...REHETRA. Fa izany no ankasitrahany.

"Andramo ka zahao fa TSARA ANDRIAMANITRA."

Andriniaina1.
--------
Rohy:
1783 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANDRINIAINA1
Nampiditra : ANDRINIAINA1
Daty : 19/11/2014 02:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153