Fo iray (Andrin'ny Avo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zahao am-ponao aho
ny masonao no akipio
ka raha ny tandindoko no ao
dia izao no tadidio:
Iray ny fontsika
...fa tsy ahy, fa tsy anao.

Rehefa tonga ny Hatsiaka
dia hafana an-tratrako ao,
ny ranao hiboiboika
hizara aina ho ahy sy ho anao,

fo iray, iray fitempo,
fo iray, iray fidoboka,
fo iray, iray fisento,
fo iray, miara miroboka!.

anaty ny onaonan'ny fitia
niarahantsika nifamatotra
ho olon-droa mifankatia
am-pitiavana efa matotra.

Matokia! Aok’izay ny ahiahy,
fitia madio no ifanekena
Izaho ho anao, ianao ho ahy.
Aza mitsaha-manantena!.

dia hanjavona ny fefy
hisinda koa ny alavirana.
Ireo mpandrafy aleo hilefy
fa ho valaka sy ho kirana

fa ianao ho andriambaviko
ka amin'ny avo no asandratro,
ianao ho bokin'ny tantarako,
ho masoandron'ny taranako.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3018 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01