Ianao no fahazavako (Andrin'ny Avo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny ali-maizim-pito, mamela-damba maloka
volan-kitroka miandry ireo kintana mandalo,
rivotra manafosafo, injay mibitsibitsi-bakoka;
miventso ny anjarako ho tonga kalokalo.

Ho anao no nandrehetako ny afon'ny masoandro,
mba itiavanao ny tenako, nirakofako ny lanitra,
nefa nitsoaka ny tadio nanala azy ka kinanjo,
ny fitanjahako no sisa mba tadidinao maharitra.

Faniriana ny orokao no nahalalako ny soan'ny faharetana,
ny taratrao no antenaiko hiadiana sy hiaretana,
ny ho mpandresy imasonao no hany tanjoko eto an-tany,
dia hoy aho manontany: ilay fitia angamba izany?

Hilatsaka ny oram-baratra, hierona ny tselatra,
ny ranomaso hikoriana, an-takolakao, hanjelatra ;
‘reo rantsan-tanako hamafa azy amin-koso-tsafosafo,
ianao ho fihiniko an-tratrako, hafanaiko amoron-kafo.

Ny afon'ny masoandro ho very anaty tara-bolonao,
nahasahin'ny tanako nanofy, hitsidika hankao,
ka rehefa ho avy hibaliaka, ho maraina vaovao,
ho ventesiko indray ireo teny hoe « tiako ianao ».
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1963 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096