voninkazo tsy halazoko (Andrin'ny Avo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy misy mamy noho ny fary ra' mbola samy hazo,
Manitra aok'izany koa ny lisy ra' mbola samy voninkazo;
fa ny tahom-pary dia hatsatso, ho ariana koa ny faikany
ary ny lisy mbola halazo noho ny hatsiaka izay tsy laitrany;

fa ny maminao ry tiako no ilay mamy izay maharitra
ny endrikao mamerovero toy ny vonikazo manitra
ny felanao naniry, ka ho tonga hanaka-danitra,
toy ny raosy diha voadidin-tsilo, sady soa no maranitra,

ka nampihaotra ny tanako, 'zay nanahy ny ho voaratra,
mba ampianaro handray anao fa tsy mbola mety zatra.
Te hisafo, te hihoroka, kanefa injay nihemo-dava,
mba mivelara ho eo an-tanako, ka ny tahotro hisava,

Ianao no mamiko, voninkazo ho koloiko, tsy hotazako,
voninkazo vaovao izay antsoiko hoe malalako,
hamelam-pahendrena, hamoa fahalala, ho reharehako,
ka ny dianao no izorako, ny lalanao no alehako.
--------
Rohy:
Sokajy : tsara - Fitiavana
2510 0
Hevitra mandeha
MnsRanto ( 11/03/2011 17:38)
bravĂ´!
nnjiva ( 15/03/2011 20:22)
(^_^)
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156