ILAY BOKY MAHAGAGA (ANDRIAMASIMANANA Andry)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
------------------------------------
'lay boky mahagaga, sy ela nihetezana,
takela-manify, mitambatra maro,
ny fonony mafy izay tena matevina
nodorana anefa, fa tsy mety levona,
------------------------------------
Io ilay boky, izay mampanantena,
ho an'ireo kivy, sy izay rehetra onena,
ahazoana fahaizana sy fahendrena,
ka ambony sy soa noho ny volamena,
------------------------------------
asa-tanan'i TOMPO no niantombohany,
izay misy porofo, tsy mety miofò,
namoronany nylanitra, sy izany tany,
k'isika rehetra no miaina an'izany,
------------------------------------
ADAMA sy EVA ilay tao saha EDENA,
no nigoka ny zava-drehetra nomeny,
tsy mba nisasatra na nively vy,
fa nifaly nihinana sy nankafy,
------------------------------------
io ilay bokin'ny fahendrena,
ny fonony mainty sy menamena,
boky matevina, tsy mety lò,
nosoratan'ireo mpaminany taloha,
------------------------------------
ny baiboly no tiako ambara,
tsy azo ialana ao anaty tantara,
natao mihintsy ho an'ny olon-drehetra,
ny pasitera, mômpera...etsetra.....
------------------------------------
mitantara ireo zavatra lasa,
sy ireo mbola ho avy, ary izay kinasa,
amidy amin'ny toerana izay voatokana,
ampianarin'ny olona izay voahofana,
------------------------------------
fa boky miavaka tsy manan-tsahala,
ilay FIANDOANA sy FIAFARANA,
tsarovanà foana raha misy manjo,
ilay famonjen'i TOMPO TSITOHA...
------------------------------------
fa zavatra maro no anatin'izany,
nanasitrana ireo marary mijaly,
ny ranomasina izay nitambatra,
voakopaka lamba dia io fa nisaraka,
------------------------------------
fa ny tena nahavariana ihany koa,
nitsangana velona i Tompo JESOA.
mba hisolo ny fahotana rehetra,
noho ilay fitiavany tsy manam-petra,
------------------------------------
ka aoka zareo mba tsy hihatakataka,
fa io ilay boky izay tena miavaka,
aondreho ny loha, dia andao isika hivavaka,
fa ANDRIAMANITRA tsy mba...... MANAVAKA.
--------
Rohy:
1391 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116