TARAIKY ALINA TARA "BUS" (ANDRIAMASIMANANA Andry)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
indro mipaika ny amin'ny valo,
dia efa tsy tazana ny mpandalo,
ankavitsiana ny eny andalana,
ireo mamomamo, sy diso lalana,
------------------------------
mangina kely ny arabe,
fa ny alika no tazana sy mandeha,
ireo olona sisa mba vitsivitsy,
tena tsy miherika na mitsiky,
------------------------------
kanefa izao dia taraiky bus,
ny taty am-paosy koa, tsy mba nisy,
dia mba nantsoina ireo olom-bitsy,
fa iray lalana izao mihintsy,
------------------------------
kanefa ireo dia, nihaminkamina,
mody fanina tsy nandamina,
dia nosongonako vetivety,
nasiako hazakazaka tsisy fefy,
------------------------------
tonga teo amin'ilay sampanana,
dia nandinika teo ranamana,
hiankavia sa hiankavanana,
toy ny olona tsy zatra lalana,
------------------------------
dia nandroso mahalankalana,
nitsapatsapa izany tanana,
kanjo voasaringotr'ilay hazo,
ka tavela sy nihazohazo,
------------------------------
elaela vao tonga saina,
ka saika afaka hatramin'ny aina,
nihorohoro sy nihovitrovitra,
tera-tsemboka sy nangovitra,
------------------------------
tsy maintsy handalovana ity fasana,
ka sady mandeha eo, no mivavaka,
anefa ny andro efa ho amin'ny folo,
izay fivoahan'ny vorondolo,
------------------------------
dia nisy nihetsika teo aloha,
ka indro fa nihorona ny hodi-doha,
ny ao an-tsaina efa hoe : nenitoa,
k'efa tena nampivadi-po,
------------------------------
hay taratasy nisiditsidina,
notsofiny rivotra ka niridana,
efa nivadika ny vô-maso,
fa ho voajapy sy ho voalako,
------------------------------
henjana lahy zany mody alina,
ny saina domelina fanimpanina,
kanefa ho tapitra izao ny ady,
f'indro misokatra ny vavahady,
------------------------------
ny teny an-dalana no efa vita,
fa i rafotsy hikitakita,
ny taim-bavany tsy ho mora,
fa dia tapitra eo ny rora.......
------------------------------
amin'ny manaraka aleo tohizana,
fa ny tenako efa vizana,
ny ady tsy vita ao an-tokantrano,
mampidi-doza sy angano..........
------------------------------

ANDRIAMASIMANANA ANDRY
--------
Rohy:
996 1
Hevitra mandeha
Hatenaina ( 09/11/2018 14:33)
Mahita lazaina mihitsy ianareo itony !Ataovy ihany ny mody alina e!Tena tsara kosa aloha ilay izy e!mampitsikitsiky irery :)
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105