You are here: home > Vetso

MBA TANDREMO IHANY E - Rasamindrakotroka Andry Tiana

Azo vakiana?

MBA TANDREMO IHANY E

Mba tandremo ihany e ny aloaky ny vava !
Fa mety mandratra an'izay rehetra mihaino ;
Indrindra raha mipoapoaka sy miverina lava.
Mba dinio  sy fanteno  ary  koa sain-tsaino.

Mba tandremo ihany e ny fihetsika aseho !
Eny imasombahoaka fa maro ny mpisehitra ;
Manaraka akaiky izay rehetra mety hiseho.
Tsy misy aza foronina  ka ny misy tsy arehitra!

Mba tandremo ihany e ny akanjo hanaovana !
Ho akanjo maotina tsy  mandratra ny maso.
Fa raha tsy izany  dia tena ho lasa fitaovana,
Hampifaliana ny mpijanga sy ny mpanasoaso.

Mba tandremo ihany e ny fiainan-tokantrano !
Tsy ahahaka  tsy entina hatreny an-kalamanjana.
Fa ny rano raraka anie mety hampiditra angano ;
Toy ny omby mifanosika, miady ao anaty kijana.

Mba tandremo ihany e ny asa iandraiketana !
Tanteraho ampanajana ho voninahitry ny tena.
Izay rehetra vita tsara tena ho fahafinaretana,
No hitondra  fandrosoana  sy  fahaleovantena.

Mba  tandremo  ihany e  ireo  mpiara-monina !
Izay  iarahanao  miaina  isanandro  isanandro.
Fadio ny fihetsika,  ny toetra mampitambolona,
Dia ho fitoniana foana eo amin'ny andavanandro.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
19 Marsa 2019

Hametraka hevitra

Midira aloha