AZA MANDORO TANINDRAZANA - Rasamindrakotroka Andry Tiana
Azo vakiana?
AZA MANDORO TANINDRAZANA
Madagasikara, ilay nosy meva, tena kanto ;
Rakotry ny ala fahiny, na aiza na aiza aleha.
Nahasarika olona maro, izay tonga handranto,
Ny hatsaran'ny natiora, ka lasa ho rehareha.
Maro ireo zava-maniry, hita eny rehetra eny,
No nampiavaka, an'ilay Nosy Madagasikara.
Toy izany koa ny biby, hita ombieny ombieny ;
Tsy fahita na aiza na aiza, ary koa tena tsara.
Indrisy ankehitriny, ilay nosy maitso lasa mena ;
Ny renirano nikoriana, ity lasa tena nangina ;
Ilay nosy tia nianjaika, lasa nifono lambamena,
Noho ny doro tanety, atao foana fanahiniana.
Aman'arivony hekitara, ny ala may isan-taona ;
Aman'aliny ihany koa, ireo biby no namoy aina.
Izay rehetra jerena, tontolo mainty misaona.
Maro ihany amin'izany, ny tsy mety tonga saina.
Rahoviana re, no ho tonga saina, isika Malagasy?
Na ny manam-pahefana, na ny vahoaka madinika.
Hiandry tany karakaina ve, sao re hangasihasy !
Hanjoretra, very saina, tsy aleo ve mandinika.
Ny ataon-tsika ihany, no mifototra amin-tsika.
Ny nenina tokoa tsy any aloha, fa any aoriana.
Ka ny rehetra nafana, tena ho lasa hangatsiaka ;
Ary ny nangatsiaka, lasa hahamay sy fahoriana.
Ajanony hatreo ny fandorana ny tanindrazana,
Izay tena manabotry, sy mamono ny firenena ;
Raha tsy izany izay jerena, dia ho lasa ngazana.
Tontolo tena resy, mampitomany sy mahonena.
Tonga re ny fotoana, andao samy hamboly hazo.
Hikajy ny tontolo iainana, mba samy ho tamana ;
Ka na ny zava-maniry, na ireo biby, mba ahazo,
Ny fiarovana sahaza, hisitrahany koa ny mana.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
27 Septambra 2019
Hevitra mandeha
s19andry5851 (27/09/2019 17:49:52)
Tsindrio "ANKAFIZO" raha tinao !
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Rasamindrakotroka Andry Tiana

Nampiditra : s19andry5851
Daty : 27/09/2019
Mpamangy : 1004
Mankafy : 6
Tononkalo hafa
HOY IANAOMILA TONGA SAINA
MANINONA HOY AHO
NY RARINY SY NY HITSINY
EMBONA AN’I DADA
TSIARO AN'I NENY
MIEZAHA AMIN'NY HERIN'NY TENA
ILAY MBA FAHAIZANA KELY
ANDROM-PAHANTERANA
NY RAY SY NY RENY